Fanantenana (Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)- Mbola misy fanantenana avy Aminao,
ka izany no hiràko..
Na dia manjombona mamanala,izao anio izao!
mbola hisava io ny ampitso

Réf:
Fa fanantenana tsy miova Ianao Jeso o!
Ilay Mpamonjy miahy izay miaraka Aminy,
ka na matroka manjombon-dava,
ny finoako no tano tsy ho rava,
Fanatenana ho ahy Jeso!!

2)- Raha mafy ny fitsapàna 'zay mahazo ety!!
Oh tohano ny finoako!!
Mb tsy ho foana Ilay hafanana 'zay natolotrao,
Eny izany no iriako.

Fa Fanantenako Ianao Jeso (x2)
fa Fanantenana tsy mivadika tokoa

Fa Andry sy Tokiko Jeso (x2)
fa Andry sy Toky tsy mivadika tokoa

A/C : MICK Andrianarisoa (ta.fa 2019)
--------
Rohy:
Hevitra
R.E.F ( 10/09/2019 21:44)
hira nampahery ny mpikambaa rehetra tanaty ady sarotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA)
Vangy : 611
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : R.E.F
Daty : 10/09/2019 23:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716