Jesosy mahery (Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA))

https://tononkira.serasera.org/hira/tafiky-ny-famonjena-ambatolampy-ta.fa/jesosy-mahery

1)-Karazan-kira maro no azo hatao,
mba hiderako ny Anaranao,
Be Voninahitra , Malaza tokoa,
mahafaly saina, mahafaly ny fo!!

Réf:
JESOSY MAHERY, Tompon'ny Fahefana
Namonjy ny very, nandresy ilay satana,
Mandrakizay ny Fanjakanao,
Mandrakizay ny Fitiavanao.

2)- Ny andtononkira.serasera.orgro rehetra 'zay mbola homenao,
dia ho laniako amin'ny Asanao :
vola sy harena, fahaizana koa!!
'reo rehetra ireo hafoiko avokoa!!

Ny Laza aman-Dera izay efa Anao,
no ankalazaiko zao anio izao,
Noho Ilay Fitiavanao mahery tokoa,
Mahafaly saina, mahafaly ny fo!!

A/C : eddy Ramaroson (ta.fa 2019)

Hevitra mandeha

R.E.F (10/09/2019 20:22:40)

mahatsapa ny Fahalehibiazan'ny Tompo dia tsy te hitoe-poana

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA)
Mpamaky : 117
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : R.E.F
Tamin'ny : 10/09/2019 21:16:23
ID : 12063

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo