Soa (Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Réf:
Soa fa teo ny Tananao, 'zay namihina ahy hatrany!!
fa toky nomenao Jeso, ny hitrotro,hitantana ahy,
raha mbola tany koa ny tany!!

1)- navelanao hitranga tamin'ny fiainako,
ny soa sy ny ratsy nampamoifo;
soa ihany aho fa nahita Ilay Hazofijalianao,
'zay nampandresy ahy hatramin'izao.

2)- Nenjehina, noratraina, nampangaina koa,
sady nalam-baraka tsisy indrafò;
izany no niainanao Jeso Malalako,
raha mba hiainako, nahoana moa??

A/C : eddy Ramaroson (ta.fa 2019)
--------
Rohy:
Hevitra
R.E.F ( 10/09/2019 21:30)
tononkira nampaherezan'ny Tompo ahy nandritra ny vanim-potoana nivay nolalovana, dia mba hampaherezana anao ihany koa.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA)
Vangy : 532
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : R.E.F
Daty : 11/09/2019 11:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743