Ekeo (Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)- Namako ô! nahoana no hitanondrika,
raha miatrika ady manafiotra ianao?
tsy tsaroanao angaha fa nisy izay niaritra,
nandatsaka ny Ainy ho avotrao!!

Tsy misy momba anao izay tsy hitany,
ny fiaretanao eo anatrehany,
tsy hoe mitazam-potsiny Izy sanatria,
fa tiany zahan-toetra mihitsy ianao

réf: Ekeo ho fanamboarana anao izay miseho,
fa Izy mahay manokatra ny lalanao!
ankasitrao ny anio na dia hoe "toreo",
fa mari-pitiavany izao.

2)- halaviro ny famoizam-po ka mijoroa!
Matokia fa Jeso momba anao;
Mahereza, aza kivy , hatrakao ny loha,
f'hataony ho mpandresy foana ianao!!

io olana mambabo mampisento io,
tsy ho hitanao intsony fa handao tokoa,
Koa mahereza, miorena mafy ianao,
antenao tsara Ilay Mpamonjy soa

A/C : eddy Ramaroson (ta.fa 2019)
--------
Rohy:
Hevitra
R.E.F ( 10/09/2019 21:18)
natao indrindra hampaherezana ireo izay miatrika ady! mahereza fa Jeso tia anao!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA)
Vangy : 504
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : R.E.F
Daty : 11/09/2019 10:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077