Andramo (Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA))

https://tononkira.serasera.org/hira/tafiky-ny-famonjena-ambatolampy-ta.fa/andramo

Inona no mahazo anao,
no toa kivy toy izao?
adim-piainana ve,
no tapi-dalan-kaleha??

Mamoifo ianao,
f'izay rehetra natao,
toa rava maina avokoa,
tsy nisy nitondra soa!!

Ny fiainanao tsy mety miova,
fahantrana lava izao, hivarotana lova,
mahatsiaro irery ianao, toa tsy hisy maraina,
fahoriana mankalao mamelon-taraina.

Mba andramo ka itodihotononkira.serasera.org Jesosy Fitiavana,
Tsy miova omaly sy anio, raiso ho namana,
Fa n'aiza n'aiza haleha raha mbola eto an-tany,
tsy miavona Izy fa mandre 'zany olanao 'zany.

Mba andramo ka izahao fa tsara Andriamanitra,
Asany izao rehetra izao:
he! Meva sy maharitra!!!
K'aza miavona am-po fa vohay varavarana!!
f'Izy rehefa ao aminao hitondra Fiadanana!!

A/C : eddy Ramaroson (ta.fa 2019)

Hevitra mandeha

R.E.F (10/09/2019 19:59:50)

mahereza tompoko!! tahin'ny Tompo

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA)
Mpamaky : 143
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : R.E.F
Tamin'ny : 10/09/2019 21:17:08
ID : 12061

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo