Hidera anao (Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA))

https://tononkira.serasera.org/hira/tafiky-ny-famonjena-ambatolampy-ta.fa/hidera-anao

1)- Ny fo sy ny saina ary izay rehetra momba anay,
No miara-midera , misaotra, Anao ry Ray!!
Ny zavaboary sy izay rehetra noforoninao,
no miara-midera miondrika amin'ny Voninahitrao!!

Réf:
Fa mahery tsy hay tohaina ny Herinao!
Nahita izany ny miaramilan'i Farao
fa hainao ny nampisaraka ranomasim-be,
ka tonga nandia tany maina ny mpanomponao
tononkira.serasera.org
fa ambony tsy takatry ny saina ny Fitiavanao,
zahay mpanota mahantra novelominao!!
Anarana ambony loatra , tena miavaka:
Hidera Anao Jesosy o! tsy an-kanavaka!!

2)- Zahay rehetra miara-midera manandra-peo,
Ny hira sy zava-maneno, tsy mba mety leo;
te hitoetra mandrakariva eto an-Tranonao,
Hihoby sy hanambara hatrany fa tsara Ianao.

A/C : eddy Ramaroson (ta.fa 2019)

Hevitra mandeha

R.E.F (10/09/2019 22:12:14)

mahery loatra sady tsy takatry ny saina Andriamanitra! ny Taonany tsy manam-pahataperana!!

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tafiky ny famonjena Ambatolampy (TA.FA)
Mpamaky : 79
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : R.E.F
Tamin'ny : 10/09/2019 23:16:41
ID : 12062

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo