You are here: home > Tononkira > Solo

Hozakaiko (Solo)

Hozakaiko, Hozakaiko, izay anjara omenao ahy,
Fa satria ianao no raiko sady tompon’ny fanahy,
Na hanafaka ny aiko izay anjara omenao ahy,
Hozakaiko, vonona aho ho lehilahy.
     Ka ny hazo fijaliana
     Holanjaina noho ianao
     Irony kapoka ihafiana
     Raha izay no sitrakao
Nilaozan’olontiana,tononkira.serasera.org ny hamoy harena be
Mbola azoko ihafiana, raha ianao no manome
     Faizinao aho mba ho hendry
     Ka tsy hanadino anao
     Andriamanitra o, mpanendry
     Izao fiainako eto izao
Enga anie ny hadalako mba tsy hotsarovanao
Izay no hery hahazakako fahoriana toa izao...

(feonkira)

Hozakaiko hozakaiko
Vonona aho ho lehilahy.

Hevitra mandeha

rivo233 (21/10/2021 10:43:19)

Kanto loatra ilay hira

rapops (14/11/2019 07:53:28)

Bjr daôl, sô d mba misy afaka manome ny "tondom-peo"-n'io hira io nareo. Mba te hitendry ny aty nefa tsy mety marina tsara le iz

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : Solo
Mpamaky : 12985
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Heriniaina
Tamin'ny : 21/10/2001 20:10:16
ID : 7

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo