O Ry zalahy (SLK Miantsa ATV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- O ry zalahy o avia (avia)
Hafangiano malaky ny dia(fa hoaiza e)
Ho any jerosalema (fa ahoana e)
Tonga ny famonjena (o lehiretsy a)
Andro malaza tokoa androany
Satria ny mpanjaka no tonga eto antany
Faly no sady finaritra
Fa tonga 'lay zanak'Andriamanitra (*2)

Fiverenany:
Tsy miora na koa zava-manitra
No tiako atao fanatitra
Fa ny foko izay torotoro
Mangovitra mangorohoro

Mankasitraka anao ry noeliko
Dia 'zao no tsy maitsy teneniko
Dera sy ny voninahitra
Ho anao eto ka hatrany an-danitra.

2- O ry zalahy o avia(avia)
Ndao hiara hidera satria(teo ny andro)
Ny andro fahazazana (eo ny andro)
Andro fahatanorana ('zao lehiretsy a)
Na antitra aza dia izao re no izy
'ty andro malaza tsy maitsy tadidy
Tonga ho atsika ny zanany
Porofo fa misy ny fitiavany. (*2)

Tsy miora......

...
O ry zalahy o avia,... Avia.....

--SLK MIANTSA ATV
A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON GABRIEL
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK Miantsa ATV
Vangy : 142
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LalainaRakoto
Daty : 25/01/2024 18:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2384