MBA METEZA (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ho anao izay mihaino anio
Aza manamafy ny fo
Sao anio no fotoana handrenesanao ny teny
Izay nomen'i Jesosy
Ho anao tsy nihaino hatrizay
Meteza handray ilay Ray
Fa izy no Tompo mpanjaka
Nahary ny tany sy lanitra koa
Koa meteza hidirany anio ilay fonao tery
Tery mora tezitra tsy mba madio
Fa tena ho dioviny tena hadio, raha toa hekenao e
Raha toa ka manaiky izany ianao

2- Betsaka anie ny tety
Lasa tsy nandray ilay fitia
Nefa izao sy hianao mbola nahatratra izao ka asa
Izay mba eritreritsika
Isika izay izay tsy nahavita soa
Sady toa mpisitaka koa
Rehefa mba tonga ilay andro
Natokana mba hiderana ilay Ray
Sao lahy ka hanenina re ireto isika
Ka andao dieny izao dia hamoy ireo ditra
Izay tsy miteraka vokatra soa
Fa mety hitondra antsika ho very tsy andapa soa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 1097
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 08/02/2017 08:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0787