KRISMASY TONGA PASKA (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha tonga teto an-tany, ilay Mesia
Dia ravo avokoa izao tontolo izao
Ka velona ny Haleloia Hosana
Nandrakotra ny tany, ny hira fiderana
  Nahazo fanomezana, avy any an-danitra
  Nomen'Andriamanitra, dia Jesosy soa, izay tena lafatra
Fifaliana lehibe,ho an'ny olon- drahetra
Fa Mpamonjy no teraka ho antsika
Asandrato ny feo, derao ilay Mesia
Fa ajqbd izao no androm-pahasoavana
  Fa tonga ny Mpanavotra, hizara famonjena
  Hanafaka ny migadra, sy hampitraka ireo izay mitanondrika

2- Taty aoriana indray, niova ilay fitia
K'ilay hosana teo, nanjary henjika
Homboy, homboy, ny teny re miverimberina
Izay no mba igdczn nasetry ilay fitiavana
  Dia noenjehina i Kristy, voasatro-tsilo koa
  Noratraina mafy ery, sy novonoina, tsy nisy hindrafo
Ka tanteraka avokoa, izay fikasan'ny Ray
Hamonjena ahy, voagejan'ota
Ka na mafy aza dia nekeny antsitra-po
Fa izay no sitraky ny Ray tsitoha
  Fa vita izao ny famonjena, afaka izaho sy hianao
  Nahazo fandresena, ndeha hiara hifaly sy hihira hoe:
Fiderana lehibe no atolotray ho Anao
Noho ny famonjena, azo taminao
Satria tonga nofo Hianao, nanetry tena koa
Hanavotana, anay tsy tononkira.serasera.org mendrika

MISAOTRA ANAO TOMPO Ô,FA VITA NY ASANAO vovw

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0398