FANASANA LEHIBE (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Jesosy dia manao izao fanasana lehibe
Andao re mba handeha, hamonjy an'izany
Fa aza mba mijanona eto, andao re mba ho any
Fa izay tonga any, dia ho faly avokoa

Andao re, mba handao, miantso re ny Tompo
Andao re ho any, fa miandry Izy izay
Fa aza dia malaina, fa izy dia mitady
Antsika izay mpanota, hiara hifaly aminy

2- Avia re fa voavoatra ity fanasana ity
Raha misy izay te hino aoka izy mba hisotro
Sotroy maimaimpoana, ity ranonaina ity
Fa izay mangetaheta tsy hangetaheta koa

Avia re manantona,hiaraka hisotro
Fa Jesosy hanome ity ranonaina ity
Izay foto-pamonjena miboiboika ao anaty
Fa izay tsy mba misotro dia hanenina tokoa

3- Fa hoy Jesosy Tompo izay manao izao teny izao
Mihainoa,manantona aty hianareo
Dia ho velombelona ny fanahinareo
Fa izaho hanome fitsaharana anareo

Andao re ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 1116
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 07/02/2017 13:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1213