safidio anio (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF:Làlana roa no zao hisafidianana
Làlana  iray no tsy maintsy handehanana
Dia ilay làlana malalaka sy mikondana
Ary ilay làlana tery ary misy lalàna

1-Raha ikay làlana malalaka no holazaina
Dia ilay làlana mizotra amin’ny   tian’ho lazaina
Tsy misy bedy anie fa toa mety avokoa
Zay rehetra atao anie tsy ahitana an’ni Jesoa

2-Fa ilay làlana toa tery sy misy lalàna
Dia io lalàna mizotra amin’ny tany kanàna
‘zay rehetra rehetra atao anie toa misy fetra avokoa
Tsy maintsy  rahina ny baikon’i Jesoa

3-Koa apetraho anie izay mba ho safidinao
Na i Jesoa tokoa na izao tontolo izao
Làlana roa tokoa tsy mety  miaraka
Koa safidio anio zay mba ho làlanao ô!

                            A . Hery Razanakoto  (Nov  2014)                    
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 98
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 07:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0977