akaikinao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Akaikinao Jesoa no tiako ,raha toa ka sitrakao
Ny faniriako hatry ny ela  ,hiara-dalana Aminao
Miandrandranao re zany foko, miangavy , mitalaho
Akaikinao, raha sitrakao , no tiako izao
2-Akaikinao Jesoa no tsara ka ekeko tsotra izao
Ny teninao dia manambara ,ny fiainam-baovao
Antsoiko re ny Anaranao ,ho ren'izao tontolo izao
Akaikinao no mamiko ry Raiko tia
REF :
Rendrarendra ny fiainako hatrizay
zary nanalavitra ny tavanao
Hitako izao ny lalantsara , hiderako ny asanao
Akaikinao no faniriako raha azo atao

       Maky ANDRIAMORASATA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 42
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 05/03/2025 08:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1544