You are here: home > Tononkira > Rossy

Satriko (Rossy)

Satriko foana akia ny eo anilanao
Hamihina ny tànanao eo an-tratrako
Nefa indrisy akia fa tsy maintsy hifandao
Tsy maintsy hifandao ka torotoro ny fo.

Handeha vetivety aho tsy ho ela akory
Hitady ny mamy ho anao e
Ka ny alahelo sy ny embona esory
Hivimbinako Tsiky dia ampyzava-baovao

Veloma masina  ry hany malala.
Tsy ho ela dia hiverina indray e
Ny fitiavantsika aza avela hamanala
Na halazo fa tondratondray

Satriko foana akia hiaraka hivazo
Hihira ny fitiavantsika tsy halazo
Nefa ny adidy tsy maintsy efaina
Veloma vetivety fa mbola  hihaona sombinaina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rossy
Mpamaky : 2496
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 19/02/2012 15:33:25
ID : 6058

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo