Sarinao (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa irery aho ka mahatsiaro oriory
Na valaka aho na vesaran-tsorisory
Ny sarinao apetrako an-doha-fandriana
Banjiniko eo mandra-pahitako tory
Dia misava vetivety ny manjo
Asa raha fantatrao
Fa ho ahy ny sarinao
Dia efa fanafody
Mety hahasitrana ahy
Raha ory ny fanahy dia ny sarinao ihany
Dia mampisinda izany

Raha sendra tsy eo ianao na hoe lavitra ahy
Fitaovana andreseko fakam-panahy
Raha misy ny manadala ny saiko
Ilay sarinao am-paosiko ao no tsapaiko
Dia misinda vetivety ny ankaso
Asa raha fantatrao
Fa ho ahy ny sarinao
Dia efa fanafody
Mety hahasitrana ahy
Raha sendra ireo sahy
Dia ny sarinao ihany
Dia efa mandresy izany

Fa ho ahy ny sarinao dia silakao ihany
Manambitamby ahy raha sendra tomany
Mibedy ahy raha sendra miadaladala
Porofo aterako iray tsy te-hahalala
Fa ho ahy ny sarinao dia ny fanahy
Mino aho fa fantatrao
Fa ho ahy ny sarinao
Dia efa fanafody
Mikoja ny ao am-po
Ilay dinantsika roa
Mitana ny hafanana tsy hampangatsiaka
Ny fitiavantsika
Ny fitiavantsika
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rossy
Visites : 4797
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par :
Date : 07/10/2002 14:50
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119