You are here: home > Tononkira > Rossy

Any Malala (Rossy)

https://tononkira.serasera.org/hira/rossy/any-malala-1

Any malala, manoratra ho anao aho, ny aty dia salama
Nefa tsy dia misy vaovao
Fa malahelo mafy anao aho ,mila ho adala
Nefa atao ahoana moa mamafy vao mba mioty ny voa

Fa ny aty, fa ny  miady isan’andro
Tsemboka ny andrina izay vao mba mahita ny soa
Fa ny aty, fa ny aty mamono masoandro
Nefa tsy kivy fa mankahery fo
Mifofotra miary hiadanantsika roa

Any malala,
Manoratra ho anao aho, voaraiko androany
Ny taratasinao, tononkira.serasera.orgizay milaza fa hoe:
Angamba tsy ahandry ahy intsony ianao, fa hiova malala
Hangata-tso-drano miangavy ahy hanadino
Hamela anao mba handeha

Fa ny aty, fa ny aty tsy mino ny saina
F’ilay nolalaina, nihariana, nihafiana
Izao rehetra vita izao
No any, no any tsy ahandry maraina
Nahita ny hafa ka dia izao milaza fa handao

Tsia tsy mino izany aho,fa-mbola tia anao
Androany, androany aho dia hanainga haka anao
Fa mino foana aho hoe mbola tia ahy ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rossy
Mpamaky : 14581
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 25/10/2001 16:10:41
ID : 101

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy