Ia ô (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Notahian-janahary ka arahabaina re!
Tsy naharofy, tsy narary
Vaovao ny taona ka dia misaora re!
Misaora an'ilay nahary.
Raiso amin-kafaliana izy e! fa tonga a!

Fiv:
(Ia, ia ia ia ô! Ia ô ia ô ) in-2
[Ô raiso ô!]
Raiso amin-kafaliana izy e! fa tonga a!

(Instrumental...)

2- Zaza nandao Ray aman-dReny nania
Nanadino ny niavigna a!
Enganie mba hiverina amin'ity taona ity!
Ka hahatsiaro ny fianakaviany e!
Raiso amin-kafaliana izy e! fa tonga a!
Fiv:
(Ia, ia ia ia ô! Ia ô ia ô ) in-2
[Ô raiso ô!]
Raiso amin-kafaliana izy e! fa tonga a!

3- Mpivady nisitaka fa nifamaly
Niverina ihany ela ny ela
Hafa ny anio hafa ny omaly
Izay lasa dia lasa andeha hifamela
Raiso amin-kafaliana izy e! fa tonga a!
FIV:
(Ia, ia ia ia ô! Ia ô ia ô ) in-2
[Ô raiso ô!]
Raiso amin-kafaliana izy e! fa tonga a!
Nampiditra: Frapoli Tsitsï Ryan
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 2681
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Tsitsiiloparf
Daty : 21/11/2019 21:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869