OAY RETO ISIKA (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Oay reto isika e(2)
Fa mifanenjika sy mifandramatra ohatra ny Biby
Oay reto isika e(2)
Viravirain’ny demony ratsy mpanao pôlitika
Tsy ny hevitra intsony fa tena ny olona izao no miady
Mifandolololo na ray aman-dreny na koa ny mpivady
Mpiralahy izao mitsitokotoko tsy mifandray tànana
Manafangaro ny resak’antoko ny resam-pihavanana

2-Oay ty nareo e(2)
Manao sôvaly ireo olo-mijaly mahantra sy leo o
Dia mampanantena ny mana sy Edena
Vao tafakatra eo dia veloma teo ny teny nomena
Nahoana leiretsy hifanaraka ihany ka d’efa nandrasana?
Mirava tanteraka kila ho tonto misy maty any am-pasana
Niaraka tao ianareo hatrizay toa tsy nisy napoaka
Efa ny volo-tratra mihintsy no may vao mampiady vahoaka

3-Oay ty zaho e (2)
Tsy mba miara-mirevy amin'ny mpanao grevy fa miàlaala pà e
Oay ity zaho (2)
Tsy hoe sanatria aho tsy te hahalàla f'efa teo no niàla a
Izay vitako tamin'ny 72 aza mbola anenenako
Raha aho toa ka diso ny teniko ariana fa aza ny tenako
Ny fônksiônera na hitanin’andro aza tsisy ny olana
Na mitokona aza izy misy mba raisina faran’ny volana

4-Ho sambatra isika e hiadana isika a
Arahabaina fa tratry ny 3e repoblika
Vavaka tsotra no ndeha ho hiraina
Ahatontosa ny zava-drehetra nampanantenaina e...
Ny isavorovoron-kilataona ry manam-panahy
Vita ny kaonty mazàva ny kaonty dia basy amin'izay
Zareo ambony any dia efa tsy mierina hifandray tànana
Isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavanana
Isika eto ambany no mitsabo ny fery mamitram-pihavanana e...
Isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavànana e....

NANITSY: Laytianao7
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 5056
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 16/05/2006 19:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741