You are here: home > Tononkira > Rossy

Mitotototo (Rossy)

Mitotototo fa mafy ny ady
Tsy maintsy mitady fa mamelom-bady
Tsy habobo, tsy lainga fa marina zany
Vola mifehy ny fiainana an-tany

Be ny kabary hanafenana izany
Raha ny zava-misy efa iaraha-mahita
Ny ambany dia iny fa ambany eny ihany
Manana kosa vao miha-mihataTsiky dia ampyfita

Rafitra miangatra izany ry tary
Ka inona ny ady amin’izany, lazao
Avela hanjaka va re r’ilaikary
'Tsika hitrongy vao homana lava ohatr’izao
Sa kosa hijoro hitafy ny mena
Hitaky ny zon’ny voageja eran-tany
Tsy maintsy handrobaka ilay fandresena
Mivoaka ny mason'ny leo mitomany

Mpihira : Rossy
Mpamaky : 1664
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 07/03/2015 23:08:48
ID : 7258

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo