MAHERY AHO (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ela nifampitady, kivikivy, vaky loha
Ela nandalo ady, ketraka mavesatra ny fo
Nobatainao nefa tsy nahalala akory
Resy nefa nataonao atsangory
Tsy nety nino hay Jesosy Ianao tsy manadino

Mahery mahery aho mahery aho fa an-tananao
Mahery mahery aho mahery aho f’efa eo Ianao
Natsanganao ka tafatsangana indray
Mahery lavitra noho ny hatramin’izay
Efa resy aho no nisandratanao

Na nidoboka aza fo marary tsy tonga lafatra e
Na midoroboka aza mibaribary fa mila mandray hafatra e!
Nikasika Ianao tsy nitabataba e!
Feno ny ainao ndray aho vao gaga
Nampiakarinao aho dia tafakatra
Nentinao niakatra e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 9362
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 15/11/2018 08:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723