You are here: home > Tononkira > Rija Rasolondraibe

Avelao (Rija Rasolondraibe)

Avelao, avelao
Avelao hiakatra ny finoana e!
Avelao

Izay mijery, onena mitalaho e
very hono ianao (x2)
Izao tontolo izao milaza tsotra izao e
tsy misy azo atao

Eo amin’ilay sakantsakana e
hanao lalana Izy e!
Eo amin’ilay tsisy azo aleha
hanao lalana Izy e!

Fa rehefa resy izao tontolo izao e
zay vao manomboka ianao, manomboka ianao
Mbola tsisy hitanao ve
ilay tadiavinao e
Foroniny ho anao e (x2)

Avelao, avelao
Avelao hiakatra ny finoana e!
Avelao

Ny tendrombohitra aza afindrany e
raha mino ianao (x2)
Izay sahaza ve tsy ho arindrany e
noho ny aminao

Andriamanitra mandre
hanao lalana Izy e!
Ilay mpamatsy lehibe
hanao latononkira.serasera.orglana Izy e!

Mitabataba ry zareo
fa tsy hitany izay hatao
aiza ny Andriamanindry zareo (x2)
Ny Andriamanitray e
manjaka amin’izao rehetra izao e
ao an-danitra ao e
manao izay tiany atao e

Avelao, avelao
Avelao hiakatra ny finoana e!
Avelao

Eo amin’ilay sakantsakana e
hanao lalana Izy e!
Eo amin’ilay tsisy azo aleha
hanao lalana Izy e!
Andriamanitra mandre
hanao lalana Izy e!
Ilay mpamatsy lehibe
hanao lalana Izy e!

Mitabataba ry zareo
fa tsy hitany izay hatao
aiza ny Andriamanindry zareo (x2)
Ny Andriamanitray e
manjaka amin’izao rehetra izao e
ao an-danitra ao e
manao izay tiany atao e

Avelao, avelao
Avelao hiakatra ny finoana e!
Avelao

Mpihira : Rija Rasolondraibe
Mpamaky : 9848
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : kofakama
Tamin'ny : 12/01/2010 09:40:08
ID : 5771

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo