HIARA-HIVAVAKA (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hanan-java-mahory isika
Hiara-hivavaka hatrany hatrany
Io no lakana ho enti-miampita
Hitondrany antsika mankany
Kivikivy saika resy ianao
Fa toa ory hava-manana
Amin’ny anaran’i Jesosy andao
Hifanaiky hifandray tànana
Amin’ny anaran’i Jesosy andao
Hifanaiky hifandray tànana

Ref : Hiara-hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra e !
Hiara-hivavaka isika
Mandrapisokatry ny lanitra
Fa tsy maintsy ho tafita
Re izany any andanitra any
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy amin’ny Ràny
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy amin’ny Ràny

Ho velombelominy ianao
eny amoron-drano fialan-tsasatra
Tsy hisy tsy ho hainao atao
Voatsinapinao io lanja miakatra
Na ny aloky ny fahafatesana aza
Tsy hahasakana ny fahagagany
Ny aizimpito no mampilaza
F’efa manakaiky ny fahazavany
Ny aizimpito no mampilaza
F’efa manakaiky ny fahazavany

Ref : Hiara-hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra e !
Hiara-hivavaka isika
Mandrapisokatry ny lanitra
Fa tsy maintsy ho tafita
Re izany any andanitra any
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy amin’ny Ràny
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy amin’ny Ràny


Tsy hisy hampimalo na sarotra aza ny làlana
Imason’ny fahavalo ny latabatra hihinana
Fa ny marina fahamarinana no hany làlana itondrana
Hatrany amparany, noho ny Anarany

Ref : Hiara-hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra e !
Hiara-hivavaka isika
Mandrapisokatry ny lanitra
Fa tsy maintsy ho tafita
Re izany any andanitra any
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy amin’ny Ràny
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy amin’ny Ràny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 23509
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : holyfenosoa
Daty : 14/02/2010 15:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1507