Am-pelatananao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Am-pelatananao, manomboka izao
Ny eritreritro, ny fihetsiko sy ireo fomba fanao
Aza avelanao ho resy
Raha toa misesisesy ireo fakam-panahy
Mamandrika ahy


Ref: Ianao no heriko, raha mafy ny manjo ahy
Fa famelana fahotana ianao, afaka ahiahy
Tsy fitsarana, na fangejana fa fo omena
Hizara famonjena


Raha sendra ka mianjera aho, ka trotraka ny dia
Lazao ahy fa ny anao tsy miova ny fitia
Amboary anatiko ao,
Fitia vaovao, tsy mety ho resy fa mahery


Ref:...
....o o o!


Omeko anao, ny fiainako sy izay momba ahy
Ny hatanorako, ny heriko, ny foko sy fanahy
Ekeko izao "tsy hanompo Tompo hafa aho satria
Tsy ho voafafan’ny Ray, ..o o o !
Ny herin’ny fitia....




"ho eo ambany fahefan’i Jesosy anie ny ho avintsika rehetra...."
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 9663
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : soul Ouf!
Daty : 02/07/2004 21:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0999