tolona (Red Metal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
t@ 72 ie ie
nifampitady t@ FRS
tifitra nisesisesy
novatsian’ny sôvy KalachNickov
ireo mpianatra nitoratoraka
t@ cocktail Molotov
tratran’ny lavage de cerveau
hatreny @ oniversité
nidina an-dalambe
ireo communiste no tena fotaka
nahatonga ny ady sy ny rotaka
firenena nihotakotaka

re: inona ny vokatry ny tolona (inona an!?)
matimaty foana teny ny olona (inona an!?)
inona ny vokatry ny ady (inona an!?)
Malagasy indray no mifampitady e! (inona an!?)

t@ 75 indray
nisy basy tena tsara vanja
teny an-tampon’ny fiakarana
maty teo ilay malalanay
izy no RATSIMANDRAVA
nantenaina ny hampiray
baiko avy tany am-pita tany
dia handrombaka ny fitondrana
sy miaro fankahalana
mercenaire Lezimbo
Voakaraman' ireo communistes
révolisionera sôsialista a !

re: inona ny vokatry ny tolona (inona an!?)
matimaty foana teny ny olona (inona an!?)
……………………………………………

t@ 10 aogositra indray
saika hanafika ilay lapa be
notarihan’I Voay be
dia be ho an’ny fahafahana
dia be mitanjozotra
manao dia mianotra
mbola tsy tonga teny Mavoloha akory
dia tifitra mivariraraka
pilotra miraradraraka
REZEP efa tena lian-drà
Sy dahalo 300 lahy
Efa maimbomaimbo rà

re: inona ny vokatry ny tolona (inona an!?)
matimaty foana teny ny olona (inona an!?)

tonga ny taona 2000 sy roa
mbola betsaka ny maivan-doha
mbola betsaka ny kely loha
nataon’ny sasany tohatra fiakarana
dia nariana teo ny fianarana
nanakatona ny varavarana
mbola tsy taitra t@ tori-maso foana
manonofinofy antoandro
manonofinofy masoandro
nefa efa any @ afobe
miredareda mahamay
nefa tsy mety fay

re: inona ny vokatry ny tolona (inona an!?)
matimaty foana teny ny olona (inona an!?)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Red Metal
Hits : 1945
Likes : 0 Like
Created by : blahblah
Date : 02/02/2011 10:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753