Soldat (Red Metal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miaramila milanja basy miara-mandroso
Tsy fantatra akory hoe ndeha ho aiza dia misosososo
Tsara folaka sy tsara baikon'ny olona ambony
"Robot" sa "commando" voky rongony
Ireo vatatay no amporisihana mankany aloha
Ireo be galona mivovò, ò! ò! ò!
Ny vady aman-janaka mitaintaina any an-tanàna
Mirotaka indray ny ao amin'ny "ville", mafampàna

Kaska fotsiny io e
Fa ny ao anatiny poakaty
Manao satroka pô
Dia mitomany Rambô
Kaska fotsiny io e
Fa ny ao anatiny poakaty
Manao satroka pô
Dia mitomany Rambô


Mbola tadidiko teo Amboditsiry ireo "kung fu"
Tank sy basy, hélicoptère mahavaky fo
Natao vono moka ireo tanoran'i ty firenena
Izany no asanareo militera mampahonena
Rehefa ilaina ny herinareo, mody milentika
Rehefa hiaro mpanao politika, bebe tetika
Ataony "à gauche" , ataony "à droite" tsy mahalala maty
Hita mihitsy ny lohanareo fa poakaty

Kaska fotsiny io e
Fa ny ao anatiny poakaty
Manao satroka pô
Dia mitomany Rambô
Kaska fotsiny io e
Fa ny ao anatiny poakaty
Manao satroka pô
Dia mitomany Rambô



Akatony amin'izay ny toby rehetra fa tsy ilaina
Ny volam-bahoaka nomena anareo toa very maina
Ndehana mamboly sy miasa tany, marina izany
Toy izay hanome lagy ny olona rehefa mitolona
Ny mpanao politika raha tsy mahavoa, aleo ho very seza
Tsy mankaleo anareo mihitsy ve ny miaro ny ngeza
Tsy aleo ve miaina anivon'ny olona tsisy blem
Toy izay ao anatin'ny kaska fotsiny hanao be marenina?

Kaska fotsiny io e
Fa ny ao anatiny poakaty
Manao satroka pô
Dia mitomany Rambô
Kaska fotsiny io e
Fa ny ao anatiny poakaty
Manao satroka pô
Dia mitomany Rambô
--------
Rohy:
Hevitra
rasera ( 21/07/2016 20:12)
Misaotra tamin'ny fizarana

fa raha misy feony dia tena mankasitraka

Izahay tsy maharaka ilay hira fa ny tonony dia tena MILAY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Red Metal
Vangy : 4023
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 19/05/2011 22:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.081