You are here: home > Tononkira > Red Metal

rezervista (Red Metal)

https://tononkira.serasera.org/hira/red-metal/rezervista

Malahelo anao rasipa
Fa hisaraka isika e
Voaray ny taratasin’
Ny Fanjakana Malagasy
Ireo vatan-dehilahy
Izay mahatsiaro sahisahy
Handeha hiaro sisin-tany
Fa misimisy fahavalo any

Ref:
Kopakopaka mouchoara
Efa hiainga ny fiara
Ranomaso mikoriana
Malahelo anao ry tiana
Mampamangy indrindra any e
An’iTsiky dia ampyreo akamako any
Manorata taratasy
Amin’ny teny Malagasy e

Ao anaty trano lay aho
Mibanjina ny sarinay
Ny ady aty tsy mbola vita
Tena mbola tsy tafita
Ao anaty ady mangotraka
Raha sanatria ka potraka
Tadidio fa ny fitiavako
Dia lasanao, lasanao rahavako

Ref:
Kopakopaka mouchoara
Efa hiainga ny fiara
…………………..

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Red Metal
Mpamaky : 1127
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : blahblah
Tamin'ny : 04/04/2014 20:01:27
ID : 6507

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo