Ditra (Red Metal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaona ny reviko taloha aho,
Tena gaigy, tena gaigy
Miheritreritra an’izany aho
Mitogaigy, mitogaigy
Ny anatr’I Dada sy I Neny
Tsy nohenoiko, tsy nohenoiko
Tena be mokon-doha
Tena voa, tena voa
Fianarana tsy zarizary
Tsy nanjary, tsy nanjary
Nilaozako nivangabao
Nilalao, nilalao
Isan’andro mamo toaka
Tena aoka, tena aoka
Doradorako ny ala
Efa saiky lasa adala

Ref:
Vita! Vita ny amiko!(2 fois)
Potika aho! Potika aho e! (2 fois)

Nilibaliba ara-nofo
Nihina-mofo, nihina-mofo
Tratran’ireo aretina
Syphilis, SIDA
Ny mompera sy ny pasitera
Mody nialaniala pà
Hozy Masindahy Piera
“tsisy fika ny amin’ialahy!”

Ref:
Vita! Vita ny amiko!(2 fois)
Potika aho! Potika aho e! (2 fois)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Red Metal
Vangy : 2114
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 08/06/2013 18:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2432