Tsikitsiky (Rambao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsikitsiky lava, angolangola amin'ny tiana
Tositosy mamy sarobidy sady soa
N’iza tsy ho faly, n’iza hanao fihantsiana
Ny anaran’ialahy efa voasoratra ato am-po

Doladola arindra, angotingotin-tsombinaina
Sambatra ny fo mifankatia
Ny tsikin’ny masoandro vao maraina
Enga anie hitsinjo antsika miara-dia

Lay lala o,
Nefa moa, misy koa fitiavana tsy avy amin’ny fo
Fitia velon-taraina, miavona ery raha vao maraina
Matokia fa manana ahy tokoa ianao
Ny fitia tsy mba nataoko kilalao

Tsongotsongo kely, adiadin’ny fahiny
Ventsoventso maro, tononkalo, hirahira
Indrindra f'ilay lalam-paradisantsika iny
Tano tsara ireny ataon’ialahy ho souvenir

Ny andro lasa moa izay tsy mba maty fa matory
Mitamberimberina indray
Ny tsy eo anilanao manorisory
Eny iriko ny fitia mandrakizay
--------
Rohy:
Hevitra
fitiavana62 ( 02/04/2015 09:29)
mahafinaritra no mihaino ilay hira taloha, misaotra ho an'izay nanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rambao
Vangy : 9538
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/04/2015 23:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1881