Any an-danitra any (Rambao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref : any an-danitra any no hodiko rahatr'izay
any no fiainana mandrakizay
fonenan'olomasina izay vita fanekena
ho anao koa izay mitady famonjena,

any an-danitra any, tsy mba misy fijalina o,
f'isan'andro izao dia fifaliana,
fiadanana asambarana nomen'ny tompo ho anao,
izay mbola miantso fona hatram'izao

Miezak'isanandro hitandrina ny didy,
tsisy azo terena fa safidy
ny paradisa ve sa hijaly any amin'ny elo
higogogogo mafy ampalahelo

any an-danitra any tsy mba misy alina intsony o,
na masoandro na volana eny ambony
fa ny voninahitr' Andriamanitra no hampisava,
ny zanak'ondry kosa ampy hanazava

Ref :any an-danitra any no hodiko rahatr'izay
any no fiainana mandrakizay
fonenan'olomasina izay vita fanekena
ho anao koa izay mitady famonjena,

any an-danitra any feno harena be miavosa o
tsisy tsony hoe mibaby trosa
ny tompo no efa lasa nieloha lalana anao
ho any jerosalema vaovao

Miezak'isanandro mitandrina ny didy,
tsisy olo-terena fa safidy
fitiavan-drejarendra ve no avela hanafosafo
ka ho any amin'ny farihy mirehatr'afo

any an-danitra any no tanana izay mitsena o,
feno vatosoa sy volamena
ny anjely maro no indro efa miandry andray anao,
ianao izay tonga olom-baovao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rambao
Vangy : 3360
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Poukikely
Daty : 16/11/2012 17:18
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1486