Mélodie (RABERANTO)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao aho ry Ray,fa tsy nakifikao , tsy nolavinao.Hiaraka Aminao Jesô,ho maivana entana aho,hahay hiresaka aho.
Na dia moana aza aho,na malemy Tompo ô!
Ianao no Teny ,Ianao no Hery andry iankinako
Na dia adala aza aho,tsy ampy saina ity zanakao
Ianao Jesô tsy mba manao ahy tsinontsinona
Misy koa anie Jesô,ireo jamba marobe variana foana ety
Raha sitranonao ry Ray ny aretiko izao,dia hino ireo ka ho tia
Ny famindramponao,no andrasanay
Hanokatra ny mason'andro sisa iainanay
Mino aho Tompo ô, fa ho afaka izy ireo
Dia ahalala ny anaranao sy ny voninahitrao
Satria Ianao no miahy anay ety
Satria Ianao no miantra ahy mélodie!
--------
Lien:
Commentaires
isa
(
08/04/2016 00:01)
aiza no mba ahitana ny mozikanio hira mélodie io azafady e
dahfara
(
12/07/2016 20:39)
toa tsy misy vidéo io fa angatahina ny tarika raberanto hamoaka clip