Fahatsiarovana (RABERANTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Migadona indray izany ora sy ny fotoana
Andro mamy sarobidy sanatria tsy zava-poana
Androm-pahatsiarovana, andro iray izay manan-daza
Ahatsiarovana ny lasa fony ianao mbola zaza

Nifandimby tao tokoa itony ora sy ny fotoana
Koa anio no andraisanao ny faha-18 taona
Koa arahaba no atolotra amin’ny fo sy ny saina ravo
Ny fahatratraranao izany ka isaorana re ny Avo

Ny iriko aminao anie tsy ho solafaka ety
Esory ny hakiviana, mahereza hatrany hatrany
Fa ny fitaka sy ny lainga anie efa fomban’ny tany
Koa aoka ny marina no entina miady amin’ny fiainana

Nefa aoka tsy ho adino ireo masoandro nipoirana
Nikolokolo anao mba ho toy ny zanak’olona
Fadio mihitsy re ny mamotsifotsy ny teniny
Ny fahendrena kosa, mankatò izay teneniny

Tsarovy lalandava fa ianao no olon-ko vanona
Dia tao i Neny namahana anao ny hanina
Torak’izany i Dada niasa nifatratra koa
Tsy nahalala hasasarana niaritra mafy tokoa

Ny iriko aminao anie tsy ho solafaka ety
Esoriny ny hakiviana, mahereza hatrany hatrany
Fa ny fitaka sy ny lainga anie efa fomban’ny tany
Fa aoka ny marina no entina miady amin’ny fiainana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RABERANTO
Vangy : 2402
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/02/2015 23:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109