You are here: home > Tononkira > R. Mialy

Ampy Izay (R. Mialy)

https://tononkira.serasera.org/hira/r.-mialy/ampy-izay

Raha jereko ny lasako dia toa ota nameno ahy
Raha diniha ny tany aloha dia toa tsy mendrika aho
F'ankehitriny tsapako tokoa fa Ianao ilay mpamindra fo
Tsy te hitodika intsony aho fa ho any Aminao

Fiverenana (in-droa) :
Ampy izay
Ireo ditra fanao hatrizay
Ireo ota tsy naha-mendrika ahy
Fa hiova e, hiova ho Anao e

Hiova ho Anao
Tsiky dia ampy
(feon-kira)

Raha jereko ny lasako (...)

Fiverenana : Ampy Izay (...)

Bridge (in-telo) :
Fa ampy izay ireo hadalana taloha
Hiverina aho ho Aminao

F'ankehitriny tsapako tokoa fa Ianao ilay mpamindra fo
Tsy te hitodika intsony aho fa ho any Aminao

Fiverenana (in-telo) : Ampy Izay (...)

Fa ampy izay ireo hadalana taloha
Hiverina aho ho Aminao
Ampy Izay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : R. Mialy
Mpamaky : 108
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : manoa131
Tamin'ny : 13/10/2019 21:06:36
ID : 12123

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo