Fahazavanao (R. Mialy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Verse 1 : Toa lanitra manjombona
Toa orana mikotroka
No hita amin'ny fiainako
Tsy misy hazavana intsony
Ny aizina toa mampahory
Fa mila Anao aho

Prechorus : Oh oh hazavao aho

Chorus : Fahazavana
Masoandro miposaka ho ahy

Verse 2 : Ny masoko mijery Anao
Hitodika aho ho any Aminao
Ireo nantenaiko tsisy hita izao
Hiondrika aho hanantona
Handohalika Aminao Ray
Ny fiainako ô, mba hazavao

Bridge : Ny fahazavanao no hery
Mihazona ahy tsy ho very
Ny fahazavanao dia ampy
Mpanavotra ahy Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : R. Mialy
Vangy : 393
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : manoa131
Daty : 20/05/2022 07:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742