Misy antenaina (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zavatra iainana toa mahafinaritra
Raha hidirana lalina toa zava-tsarotra
Mahavery fanahy mbola velona
Kanefa o, tsy mahafoy azy raolombelona
Izany lay fiainana

Mivezivezy lava
Nefa toa tsy mety ampy ny eny an-tànany
Mitototo eny
Zany hono no ataony satria tiany ny ainy

Misimisy ihany
Ireo tsy ambinina amin’izany, fananam-bitana
Miady mafy ihany
Satria tsy ananam-piry izany aina

Fa izay rehetra velon’aina
Mbola misy antenaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 8558
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122