HO ANY AMINAO (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy atakalo ,tsy hiova
Ny andro anio zay iarahako aminao
Tsy hasanda vola , tsy hasanda harena , sarobidy

Zao rehetra izao , ka hanjakako anio
Dia tsy hanova zay efa raikitra
Fa ianao , pdmgefeh ianao ihany izay no anio

REF: Hanainga faingana aho hamonjy anao
     Ela niandrasana izao andro izao
rmdioyl     Ho any aminao anio no anton-diako
   tononkira.serasera.org   Ho any aminao no faniriako

N’izan’iza handresy lahatra
Ka manao zay tsy hihaonako aminao
Dia ho lany , lany andro eo f’izaho tsy miova

Fa ianao , ianao ihany
No efa nomeko ny androko anio
Ka ho ahy tokana ihany ny hahita anao

Enga anie ianao ho toa ahy koa
Tsy misy hatakalonao ny uptcve andro anio
Izay mety ho sakana , tsy handresy lahatra
Fa sarobidy loatra ny anio , sarobidy ny anio

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 5206
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pilipili
Daty : 10/01/2005 07:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0133