You are here: home > Tononkira > Odyai

Malala (feat Mr Sayda) (Odyai)

Odyai :
Ô ry malala e, nataoko ho fehezam-boninkazo ho anao anie ity hira ity
Mba henoy tsara e
Voady efa vita ialy hitia anao, eny ho doria.
Fa raha ny eto an-tany tsisy hasolo anao zany
Tsy hahita ohatra anao aho na dia hiodinkodina any
Ambarako androany f'efa lasanao any
Tsy hanary anao mandrakizay na ho lasa vovoka aza

Manomboka androany, na tsiky na tomany
Malala ho'aho no iantsoako anao
Fa izay ilay voady, nakana anao ho vady
Ity ilay peratra ho atolotro ho anao

Mr Sayda :
Diatononkira.serasera.org mba ampianaro zaho hifaly amin'izay soa hatsangantsika
Fihino ny tànako f'efa ela nangatsiaka
Ka na faly na marary e, na hiainga aotra ariary
'Tsika roa tsy hifanary fa mpivady miara-mihary
Ity ary misy vazo iray, hirahira ihany
Ho mamy toy ny vola isika, vinavina ihany
Izay tsara indrindra ananako ato no irariana ihany
Omeko anao tanteraka hatramin'ny farany any

Manomboka androany, na tsiky na tomany
Malala ho'aho no iantsoako anao
Fa izay ilay voady, nakana ho vady
Ity ilay peratra ho atolotro ho anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Odyai
Mpamaky : 1005
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 26/05/2019 17:58:42
ID : 11746

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo