Hiaraka Aminy (Ny Tsantan'Imahamasina)

Ravo ny foko e!
Diboka hafaliana
Faly ny saiko
fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny
ho isanny ondriny

Tsy hitako intsony
izay teny hilazana izao
Ny hafaliana
ao anaty foko ao
Satria inoako
fa natolony ahy ny fitiavany
Izaho nTsiky dia ampyoraisiny ho havany

Tsy hiala eo intsony aho sanatria
Fa hiaraka Aminy mandrakizay doria
Ka naiza naiza misy Azy dia hisy ahy koa
Fantatro fizay no mahasoa

Raiso mba ho Anao
Ny tsantanny foko izao
Hankalazana sy ho fiderana Anao
Ny hafa ihany koa,
ny vatana sy ny fo
Ny saina sy fanahy afoiko avokoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Tsantan'Imahamasina
Mpamaky : 1290
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Njaratian
Tamin'ny : 06/07/2014 21:15:18
ID : 6604

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo