Tsy Fidiny (Ny Sakelidalana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mba afaka miala
Ireo izay manana ny adala
Fa miaritra ee!
Eo ihany, na mampitomany.

Tsy lavina fa eny
Zanaka na Ray ama-dReny
Refa adala anie
Itoviana
Ny fijaliana

Baraka ve
Tondro-molotra
Efa tandra vadik' oditra
Henatra sisa
Itafiana
Karazan-damba
Isora-jaliana

Ireo izay manana ny hendry
Kinga ny miteny
Fa raha azy hoe ireny
Naony vao kely

Fa raha ny adalan ny tena
No mianjak'eny antsena
Tohina ny fo
Marary ny andoha

Tsy fidiny azy
Re reolona
Saingy anjara tsy maintsy zakaina
Tsy afaka iny raha tsy ny aina
No efa mandao, nandao ny maraina

Tsy mba afaka miala ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Sakelidalana
Vangy : 417
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kcnarf
Daty : 24/12/2022 21:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909