Ry Tanora (Ny Safidy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry tanora ry tanora manakaiky anie ny ora
hiavin’ny tompo ety nefa ianao variana ery
ny filibana ajanony
fa Jesosy no antsoy
andao hanatona azy isika
fa mbola tsy ampy anie ny isa
ny isan’ny ireo hovonjena
ka aoka ianao hanolo-tena

Ry sakaiza ry sakaiza
hoy ianao andeha ho aiza
raha ny hoe andeha hivavaka
ekena anefa aoka hiavaka
tsy hilaozanay ny filibana
mandalo anie ny hatanorana
lazao ny any andanitra any fa mbola mamy ny eto an-tany

Tena malahelo anao Izy ao an-danitra ao
toa tsy mbola fantatrao
fa mandalo anie ianao
alao ambony alao ambany
zava-poana ny eto an-tany
koa manatona andeha hivavaka
isika rehetra izao hiaraka
koa manatona andeha hivavaka
isika tisy an-kanavaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Safidy
Vangy : 2387
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 23/11/2007 02:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0935