Ny vola (Ny Safidy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manana ariary mivoady amin-janahary
Te hahazo ariary folo o !o!
Manana ariary folo mivoady aman’olo
Te hahazo ariary zato

Manana ariary zato miasa tsy miato
Te hahazo arivo o!o!
Manana arivo manao hoe mpanarivo
Te hahazo iray alina

Manana iray alina miasa andro aman’alina
Te hahazo iray hetsy e!
Manana iray hetsy mampiasa fetsifetsy
Te hahazo an’ampitrisa o!

Fiv: vola e!volabe mampihetsiketsika
Ny vola aro fitady e!
vola e!volabe mampihetsiketsika
tsy misy afa-po amin’ny vola

Jesoa aro no vola ilay vola tsara indrindra
Volan-tsika Kristiana o!
Izay manana Azy,no tena mpanambola
Io ilay vola tsara indrindra o

Fiv: Jesoa!Jesoa no volan-tsika kristiana
Ilay vola tsara indrindra
Jesoa!Jesoa no volan-tsika kristiana
Ilay vola sarobidy indrindra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Safidy
Vangy : 763
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrianatoandromanoa1998
Daty : 26/07/2019 22:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729