FONY IANAO MBOLA ZAZA (Ny Safidy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony ianao mbola zaza,no tsy nisaina ireny
Raha ny nahazo an’I dada malala sy ny fahorian’I neny
Raha mitomany ianao,indro fa rotsirotsiny
Raha sendra ka sorisorena dia somary ampifalifaliany
Na dia niepaka azan y tanany tsy mitaraina amin-janany
Tsy niondrika niamboho adidy izy e!Fa tena milanja mangidy
Na dia mafy azan y ora-panala tsy kivy Radada malala
Nizotra isan’andro isan’ora izy e !ny fiainana anefa tsy mora o !
Raha zanaka tsy tia ray sy reny,dia miteraha mba hahita
Mafy tokoa ny nanjo azy ireny niezaka mba hahatafita

Fony ianao tsy nahalala,no tsy nisaina ireny
Raha ny nahazo an’I Jesoa Malala sy ny nahafatesany teny
Raha tokony ho faty ianao,indro fa efa soloany
Raha tokony ho very ianao,dia lasa akaikin’ny fony
Na nafoinao aza ny tanany nilaozanao ny fitiavany
Tsy niondrika hiamboho adidy izy fa tena nilanja mangidy
Na mafy azan y fandatsana,tsy kivy Jesosy Malala
Ny kapoka mafy tsy maintsy zakainy nafoiny hatramin’ny ainy
Raha olona tsy tia an’I Jesosy dia miomana hahita
Fijaliana mandrakizay Izay tia Azy ihany no hotafita
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Safidy
Vangy : 665
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrianatoandromanoa1998
Daty : 26/07/2019 18:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1451