Hody aminao (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hody,hody aminao ry akaniko taloha
Miverena,
Nandao anao, miverena, ela loatra, miverena
Ka hiverina aminao.
Noheviriko fa any an-kafa dia tsara noho ianao
Nefa injao fa mibitsika ato am-poko
Ny fitiavanao ry tanànako taloha
Na ratsy ianao na ory
Dia raiso ny foko nandao
Hitodio ilay akanin-drazanao
Ka na faly na tomany dia andao
Miverena,
indro raiso,
miverena,
indro raiso,
Ilay nandao,nandao anao

Miverena, miverena, miverena

Na ratsy ianao na ory
Dia raiso ny foko nandao
Hitodio ilay akanin-drazanao
ka na faly na tomany dia andao
Miverena ,miverena,ilay nandao anaO


Jerôme Randria.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 3566
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HASINA
Daty : 03/08/2003 17:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121