ODOIE ...ORERA (Ny Nanahary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Teny tsy fantatra izay nihaviany ny odoie
tsy malagasy ary koa tsy vahiny kanefa mandeha
resak’ankizy tsy ampoizina akory
indraindray toa manorisory
fa na an-tokatrano na an-dalambe
dia injany manako ny odoie
Oviana no teraka ity
Dia iza no dadan’ity
Oviana no tonga taty
Iza no renin’ity
E gasy vazaha sa zaponey odoie !

tsy fantatra intsony mampihanahana
na esoeso na fahagagàna
fa ny ankizikizy ary misy lehibe dia samy mampiasa ny odoie ..

namoaka JEAN i Peta sy Zefa odoie
aliaka voahitsaka lasa nilefa odoie
manao azafady e
saka lazaina fa hoe mana-tody aliaka lazaina fa vilana ity
ny banga hono mikiky coco mamo mizity misatroka pô
odoie
natao mariazyi FIFI sy DADAH ny ali-pandihizany be lambada @ fihetsika VISA A sadaikatra be ry PAPA sy MAMAN odoie
kala mipôzy odoie bandy mirozy odoie
izaho bôgôsy an !sady misôsy ! sôsy angaha?

tenin-jatovo mbà mahavariana ny odoie
tenin-jatovo tsy matiko lolo kanefa ...

madama nazeran’ny hoditr’akondro odoie
lanin’ny saka daholo ny trondro odoie

miady mivady Razafy ao atsimo dia lasa nisitaka nirimorimo
ny ankizy nilaozana jereo anie mihosina diky mamofona be odoie
kanefa kanefa dia tsy vazivazy tsy nampodiana fa dia nody ho azy
ry mademoazely efa niseratserana raha tara kely dia lasa ny toerana odoie
tandremo ny fo odoie
ianao ramatoa odoie
iry mampiresaka odoie
ity mampihesona , hesona angaha?

tenin-jatovo mbà mahavariana ny odoie
tenin-jatovo tsy matiko lolo kanefa ...
toeran’ny bevohoka io re ry nama a odoie
ka ny tompony tsinona mihanahàna e! odoie
manao azafady e
tonga daholo ny be sy ny maro vao mikatrokatroka be ny kiraro
miditra tara ny ny sekiretera dia mody fanina ny direktera
korana be ao anaty birao ry Euphrasie ry Lanto sy Bao
ry Jean Bôlida dia eo koa ny sisa avelany hiasa dia mikapalisa odoie

tonga ny vadin’ny direktera dia mody fanina sekretera
raha tonga ny vadin’ny sekretera mody snôb ny direktera odoie

zaka raha ravina odoie aliaka mikavina odoie
nirava ny mpiangona odoie
ny vady nanjavona
ity mandainga nanjavona hoa ity mandainga .. mbô kôzy e!
tenin-jatovo ....

mirôzy madama fa tsy ao ramose an
ilay ramose manararaotra @ mi tourner
odoie

samy mandeha dia samy mitady kanefa tandremo ny mivarina an-kady samy mandeha dia samy mahita iriantsika ny samy ho tafita
bon ça va!
miara-mandeha dia miara-mitady ao anatin’ny tolotra sy ny tinady
ny tanjona izany @ 2000 iry manajato dia izaho mpanarivo
dia izaho izany ahoana ?
Mbà mahaiza mitady .....

Ny zôridira dia misy mitsindroka odoie
iry mafy sofina be sady lingitra
saridriaka ny be sy ny maro kanefa ny vadiny saro-piaro
matetitetika no mifamaly asio tampi-maso dia toy ny soavaly odoie
dia gejagejao @ fanalahidy dia mamorona lalàna sy didy
ianao irery no tompo-tsafidy

raha manahirana asio lamboridy ny odoie
ka raha manahirana asio lamboridy ny odoie ...(2 fois)


2- Teny vahiny mampihorohoro ny orera
hafa faneno satria nogasiana ny orera
resak’ankizy tsy ampoizina akory
indraindray toa manorisory
na an-tokatrano na an-dalambe dia injany manako ny orera
Oviana no teraka ity
Reko ny lazan’ity
RAoviana no tonga taty ....

raha sanatria ka osy orera ...rasaka manatody e orera ..
orera a...
tsy ampy lava ny vola ao an-trano orera
matetika mintsy sosoa be rano orera
sasaka volana izao ny karàma voatery mitrosa matetika i mama
ary ny olona mba avy isamborana ny zana-bolany koa mahatorana orera
ny ankizy madinika malazolazo ny sasany izany efa sisan’ny tazo
sosoa be rano ary no mahazatra
3 andro izy ireo tsy nikapa orera
sosoa be rano e
nidiran’angano e
oay aho ry Lisy a tena tsy misy e
sosoa be rano e!
orera ..nidiran’angano e ! orera
orera aaa..

vaky lasantsy dia lany pneu orera tena mandreraka be enfin orera
mampalahelo zalahy miaramila fa ny kirarony dia mitolila
marina moa fa tsy debrayé ny pataloha misy tampina be
1 , 2 karôty navet ..orera
angamba tsy ampy ny pardessus fa @ alina mivivy
refa tsy hitan’ingahy sergent dia mbà mipetaka par dedans
1 , 2 karôty navet ..orera
orera orera ....

refa mamindra somary mizesta be ny voalavo dia misy ny pesta orera
tompon’andraikitra maro rasé misy nilaza fa hoe be klé
ahoana sy ahoana razokiny be efa mbà niova ve ny fandeha? odoie
izy lehibe @ izao no tarafina ny zava-bitany koa no tahafina
mivaralila ny isan-tsokajiny dia ny vahoaka no mihinana ny tadiny ! orera
ka kotikotio eto Antananarivo raha voalavo iray mety hiteraka arivo
voalavo iray manambady in 5 tsy fantatro intsony fa izaho aloha vahiny e orera
oay aho r’ikoto ah tanàna maloto e orera
pesta hoa miampy SIDA orera

orera ... orera ...

navoaka gazety ny 4 mi odoie
nalàza tampoka teo ry lery odoie
nitady asa fa dia tsy nahita niezaka ihany fa dia tsy tafita
ny fokontany efa nanipy gant
marina ireo tsy hanao tarzan aou!......aou

manakaiky ny lanitra izy @ izay ny trano taty efa kila sy may
angamba izy ireo @ izay raha miteraka tonga dia 4 mi manan’elatra orera a ka tonga ...
fa ny fahantràna au dos
ny hanoanana
ny tsy fisiana ..
ny fahoriana ..

fa ny lanitra manga ....
ny tsindri-tsaranga
ny diamanga
ary ny lalimanga
fa ny zaza madinika dodo dodo

a dodoie ...

mpanao rami sendra vato nidofotra orera
nifanome lagy dia nisy ny sosotra orera
manao azafady e...

miala maraina dia rami
miala hariva dia rami
tsy voakarakara ny zanak’ity ka lazain’ny olona 4 mi
orera
oay aho rapapa orera omevo sopapa e orera
oay fôkasy orera
tena kôlanty mersii

orera orera..

Etsy ho lazaiko aminao ny malàza an orera a
dia ny fanendahana sy ny hala-jaza orera a
ny fanendahana misy manao
io hala-jaza io tena mba hajao
fanararaotana fotsiny izao sy fanafenana ratsy atao orera
tonga avy hatrany dia misy misy milàza sy miantsoantso hoe mapangala-jaza e dia tonga daholo fa mpangala-jaza e

dia taitra avokoa fa mpangala-jaza e
orera
tairiny kely @ izay ny vahoaka dia mitovitovy @ baomba mipoaka
tsy afaka miala mamela kamboty ny afaka miala ny ainy no avoty fa orera
lasany ny kavina kavina any izany
lasany ny peratra ....
lasany ny rojo ..
lasany vola ..
lasany ny akanjo
ny soutien ...
ary ny gorge ....
misy mamono oooo
maty Laholo .....oooo
orera

ka fofona kômorianina kely izay efa vontom-piro efa nivaralila
nanentoento eran’Analakely
nampisavoritaka ireo makorely oy oy oy ..
orera orera ..

mananatra i dada lazaina fa soir a odoie oainina i neny @ izany lazaina fa tara odoie

Ny hafatra kely e!

ny odoienareo ity rankizy sy ny orera mbà tena tsy izy
fa manamaivana ny fanajàna sy fihavanan’ny mpiray tanàna ka
Oviana no teraka ity
reko ny lazan’ity

raha sanatria ka osy e orera orera
ra saka manatody e

ka oviana no teraka ity
d reko ny lzan’ity
oviana no tonga taty ...
gasy vazaha sa japoney

ka odoie odoie ...
nivadika orera
nivadika odoie
odoie ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Nanahary
Vangy : 5883
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 14/05/2007 00:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766