Ikaky sy Neny (Ny Menafify)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy iza no fola-damosina
Tsy ikaky sy i Neny ihany
Izy ireo no niara-nitrosona
Hanondrotra antsika hatrany
Ny azy ny zava-boakendry
Dia ny ahatonga antsika ho hendry
Koa andeha re! Hamaly babena
Fa efa lehibe zao ny tena.

Ref:
Dieny mbola, mifanatri-maso
Halaviro ny andraso andraso
Diniho ny lalan-ko diavina
Fa iza no mendrika ho tiavina
Tsarovy ikaky sy neny
Fony isika ilay teo am-babeny
Noho izany tsy mampatsiaro
Mitahiry ny zavatra maro

2- Diniho reo ray aman-dreny
Tsy voatsitsiny hatramin’ny hareny
Ny herim-pony ny hoe nolaniany
Hanasoavany ny zanaka tiany
Inty re no ataovy famato
Idealy iray toa zato
Ny ray aman-dreny no tiavo !
Na mamiratra na mavomavo

Ref:
Dieny mbola, mifanatri-maso
Halaviro ny andraso andraso
Diniho ny lalan-ko diavina
Fa iza no mendrika ho tiavina
Tsarovy ikaky sy neny
Fony isika ilay teo am-babeny
Noho izany tsy mampatsiaro
Mitahiry ny zavatra maro

3- Diniho reo ray aman-dreny
Tsy voatsitsiny hatramin’ny hareny
Ny herim-pony ny hoe nolaniany
Hanasoavany ny zanaka tiany
Inty re no ataovy famato
Idealy iray toa zato
Ny ray aman-dreny no tiavo !
Na mamiratra na mavomavo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Menafify
Vangy : 229
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : JosoaAdr
Daty : 02/11/2025 12:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1049