You are here: home > Tononkira > NY ANTSAFIA

Misy làlana (NY ANTSAFIA)

Misy làlana iray tsy mba tery fa migodana
Hifandrombahan'ny olona maro fa maha tamana
Tsy mba sarotra aleha tsisy fefy, tsisy lalàna
Tsy mba misy fepetra, ary koa tsy mba malama

Fifaliana foana no ao, feno korana
Rendrarendra manimba ny fo sy ny filibana
Ny haratsiana rehetra ihany koa toa sarotra ialana
Fahafatesana nefa no tambin'ny Tsiky dia ampyfahotana


Misy làlana iray hafa koa tsy maro-pifidy
Ireo olona mizotra ao vitsy dia vitsy
Misy tsipika tsy maintsy aleha voafehin'ny didy
Izay voadio tamin'ny ran'ny Tompo izay sarobidy

Fifaliana hafa mihitsy no ao tsisy mahalala
Ny fanompoana ny Tompo no ilaina tena mafana
Mila manam-pinoana fitiavana fanantenana
Ireo maharitra kosa no handova ilay tany Kanana

Mpihira : NY ANTSAFIA
Mpamaky : 92
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ainathii
Tamin'ny : 29/07/2021 19:04:26
ID : 13575

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo