Gasy mandroso very faka (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haragna milevigny an dragnomanara, misy malaka
Taholagn olo maty am pasana misy mangalatra.
Mandroba Faty tsy misy hegna-maso niova tato ny Gasy e!
Manota fady karaha amposavy tsy ho ela hivarigna an-kady e!

Raha manan-jigny aminay nodikavin jare o!
te hitsikomba holam-bazaha aza taitry koa higagnan draha

Ranomason 'olo hamelomam-bady, niova tato ny Gasy e!
vola maloto azo tamim-paty tsy volovolon draha hampanjary

Rano magnaraka lolagna tsy tonga tan dohan jareo o!
Gasy mandroso mirorogno ,mandrorogno hivarigna an kady *

Ny vintana ve no manonto sa ny saina no efa maloto?
Taolam balon ireo Razam be no namidy natao volabe
Ny Fanahy ary ve no tsy misy?Sa ny Saina no ef amanify?
fa ny Zoky Fanaja taloha no hompaina zimbaina ihany koa?

Ny razana tsiratsiraina ny zoky dia vingavingaina
Soatoavina iray vaovao natao fomba fanao
Zavatra hafa no nahazo laka i Gasikara toa miha very faka
vonin-kazo anisan ny favy no nopotehina tanaty vazy

Ny rivotra ve no mahery? sa ny Tany no mandroso ho very
fa ireo zavatra Fady taloha andramana atao avokoa
Ny fandrosoana ary ve no tsy zaka? Fa toa ny Ota no mahazo laka?
hogahogan ny olon drehetra , herisetra no atao tarigetra!

Tsy ho vitan ny andraso lava ny manarina trano efa rava
isika raha miara mientana ho maivana ho azy ilay entana
hinoako fa tsy mbola tara ny ampitson ity Gasikara
saingy izany tsy ho vitako irery tsy ho mora ny hitady ny very!!!

NANTENAINA: olana lehibe eto amin tsika ny resaka halatra taolam paty ,manentana an tsika rehetra mba tsy ho variana fa ny maha Malagasy an tsika mihintsy no ho potika amin izy io!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2293
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 25/08/2014 16:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114