Toera-manirery (Naly Rakotofiringa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry toera-manirery mitahiry ilay tsiambaratelo
Fifaliana nofaranana alahelo
Fandalovana indrisy no sisa
Mandimby izany andro lasa voatanisanisa

Mbola tiako hovangiana ankehitriny
Hatsiarovako ilay fiadananay fahiny
Ry toerana lalovako miserana
Misy hasambaran'olon-droa
Matory tsy hifoha

Izao no hafatra ataoko amin'izay havako izay
Hokaloiko irery izany hiranay
Mba hanako ao am-pony ny tantarany
Ary koa ilay veloma nataonay farany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naly Rakotofiringa
Vangy : 3236
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nirinamercia
Daty : 28/07/2020 11:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758