HIVERINA AHO (Mamy Robinson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HIVERINA AHO

Efa taona maromaro, tsy niarahantsika teto
Tsy nahafaha-nifangaro, tsy niarahana nisento

Izaho akory tsy nankaiza, sanatria tsy nirenireny
Fa mbola nihary sy nitaiza ny foko taminao teny

Anio indray aho hiverina aminao
Hivimbina mozika vaovao
Mozika mampitambatra ny fo
Andao isika hiara-droa :

Hiaraka hiventso ! Houh ! Hiaraka hisento

Tena mafy ilay tsy nihaona, asa efa firy taona
Izaho na dia tsy hitahita : mbola tanatin’ny mozika

Izaho akory … … …

Ndao isika hihirahira, ataontsika hanakoako
Hiara-hitsinjaka handihy, hitehatehaka sady hiara hilamako

Izaho akory … … …



_ Mamy ROBINSON _ (31/01/2019)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Robinson
Vangy : 602
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mattox
Daty : 06/12/2019 13:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771