Soava dia (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ny mamba de misosoka ny voay
Tsy hanary lamba aho raha very olona iray
Na solaina aza mety maniry ny volo
Raha ianao no lasa ve de tsy hisy hisolo

Idray mandeha no manta vary
Sanatria tsy handevintsotrobe
Tsy ataoko hankarary
Fa vao maika aza aho hihomehy

Mandehana soava dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana zay malaina hijanona
Koa mandehana soava dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona

Mamy ny fary nefa ny faikany arora
Raha fitia tsy hanjary arorako mora
Fa io aizina io mbola hody hazavana
Raha afoinao aho anio ampitso hahita hafanana

Indray mandeha no manta vary
Sanatria tsy handevintsotsobe
Tsy ataoko hankarary
Fa vao maika aza aho hihomehy

Koa mandehana soava dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 6817
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : R Niaina
Daty : 23/05/2003 21:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128