Zon'ny ankizy (Lova Mamisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa fahare matetika efa hatrin'ny ela
Fa ny ankizy no tena ho avin'ny firenena
Nefa mbola misy mampiasa azy ireny
Tsy mba manaja ny zon'ny velively

Dia misy tsy miasa saina tsy mivaky loha
Asa mihitsy angamba na efa mivadika biby ny fo
Fa hatramin'ny ankizy kely dia darohana voavelively
Asa hatraiza ihany no ihafarany

Refrain:
Ka aoka re mba tsy ho ampiasaina ny ankizy
Fa izy ireny no ho avin'ny firenena

Raha misy ankizy manantona mba mitaraina
Mila henoina izy ireny ampianarina fomba fiaina
Dia atoro azy izay rehetra mety ilainy amin'ny fiainana
Mba hahatonga azy ho kinga saina

Nareo ray aman-dreny raha toa mifaly
Fiainana izany tsy miala eto antany
Nefa aoka mba tsy ho eo imason'ny ankizy
Fa andàna mivoaka any ivelany mamaha crizy

Refrain :
Ka aoka re mba tsy ho ampiasaina ny ankizy
Fa izy ireny no ho avin'ny firenena
Ka aoka re mba tsy ho araraotina ny ankizy
Fa tolory fitia sy omeo tambitamby
(Solo)
Refrain

AC : Lova Mamisoa
Accordéon : Yvon
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lova Mamisoa
Vangy : 2131
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gasy22
Daty : 08/04/2014 12:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717